30 aprily 2023 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — Taona A — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)
Mila manana fahadiovam-po tanteraka ny olona tsirairay ary tsy tokony hitsaratsara ivelany. Toe-panahy tokony hanjaka ny hoe hitady zavatra iray iarahana manatanteraka mba hanehoana fiombonana sy hikatsahana soa iombonana. Omena ny hasiny ny olona tsirairay ary tokony hisongadina ny fandraisana ireo voalikilika. Ny fifamelana dia fototra tsara ho an'ny fifandraisana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
29 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
Maro ireo zavatra miseho eo amin'ny tontolo iainantsika manamaloka ny fihaonana amin'ny tsy fisokafana : ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fifampitokisana afafin'ny fiaraha-monina ; ny akon'ny fifandraisana tsy mikolokolo ny fifampiresahana sy ny fiaraha-monina ; ny fanilikilihana ireo izay mila kolokoloina sy andrianina ; ny tsy fitovian-jo sy endrika vaovaon'ny fanandevozana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco