8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Ny miserasera amin'ny fo dia midika hoe izy mamaky ny asa soratrika na koa mihaino antsika ao anatin'ny tontolon'ny hanio vaky jery dia tokony haneho ny fandraisantsika anjara ihany koa amin'ny hafaliana sy ny ahiahy, amin'ny fanantenana am-pijalian'ny olona amin'izao androntsika izao. Izay miteny toy izany dia tia ny hafa satria sady miahy azy no mitandro ny fahafahany. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

7 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

Notsiahivin'ny Papa François indrindra ny fampianaran'i Jesoa hoe : ny voany no hamantarana ny hazo (Lk. 6, 44) " ny olona tsara dia mamoaka izay rakitra tsara ao am-pony fa ny olona ratsy kosa dia mamoaka izay ratsy avy ao am-pony, dia izay be ao am-pony no aloaky ny vavany". Noho izany raha te hanana fiseraserana tsara dia tsy maintsy manadio ny fo. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...