Ny alahady fetin'ny Trinite Masina no hanamarihana ihany koa ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Ny hafatra avy amin'ny Papa François ho fanamarihana amin'ity taona ity dia ny hoe : "miteny amin'ny fo". Ny fanambarana zavatra iray tena vokatry ny fo no tian'ny Ray Masina horesahina eto, ary koa hirosoana amin'ny fifandraisana tena misokatra sy mahay mandray. Katesizy momba ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

4 jona 2023 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)

Matetika isika miteny hoe  afobe eto an-tany raha toa ka samy  mirona amin’ny tenany avy ny tsirairay, tsy mieritreritra afa-tsy ny momba azy. Ny mampiova ny fiaraha-monina dia tsy inona akory fa ny fiombonana, fifanampiana, fiaraha-miaina. Raha izany miantra eo fiaraha-monina izany dia manoboka miaina paradisa isika satria ny rariny sy fiadanana no manjaka. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

3 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...