Ny tontolo iainana dia izay misy rehetra ka mifandray amin'ny fiainan'ny olombelona, na ny hita maso na tsy hita, na ny manana aina na tsia. Tontolo iainana : ny tany, ny rano, ny zava-maniry, ny biby amam-borona isan-karazany, ny rivotra, ny masoandro, ny volana ny kintana, ny habakabaka ary ny olombelona ; izany hoe izay rehetra misy ety ambonin'ny tany sy ny any ambany any koa.  Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

15 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Amin'ny maha-kristiana dia fantantsika tsara fa avy amin'ny fibebahan'ny fo ihany no miantoka ny ho avin'ny fandriampahalemana, satria ny antony miteraka ny ady dia avy amin'ny atifon'ny olombelona ihany. Avy ao am-po no miloatra ireo tenim-pahamarinana izay afaka manafoana ireo aloka manarona ny tontolo mikombona ka ahafahana manangana sivilizasiôna tsara kokoa.  Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...