Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 5. 7-12)

Fahendrena no nangatahinao ho anao.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:

“Angataho izay tianao homeko anao”.

Ary hoy i Salômôna:

“Ry Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany,
tsy tambo isaina, fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay hitsara izao vahoakanao maro be izao!”

Nankasitrahin’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:

“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao, fa homeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 118, 57 sy 72. 76-77. 127-128. 129-130

Ny teninao Tompo ô, mamiko sy teliko, ny lalanao lalako, no sitrako.

Ny anjarako, ry Tompo, hoy aho,
dia ny mitandrina ny teninao.
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao
mihoatra ny volamena sy volafotsy miavosa.

Hampionona ahy anie ny fitiavanao,
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao haninteraka ahy sy hamelona,
satria ny lalànao no firavoako.

Izany no itiavako ny baikonao
manoatra ny volamena madio indrindra.
Izany no ifidianako ny lahatrao
sy ankahalako izay mety ho fitaka.

Tantely mandriaka ny fanambarànao:
izany no itandreman’ny fanahiko azy.
Vavahady mazava ny teninao
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 28-30)

Nokendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa isika.

Ry kristianina havana,
fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahy matoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)

Nivarotra izay rehetra mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona,
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Hoy izy ireo taminy hoe:

“Eny”.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay naharay tsara ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

Nivarotra izay rehetra mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...