08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.
Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.
Sady fanomanana ny Vaovao Mahafaly no efa fanomanan'Andriamanitra hanomezany Ilay mazava amin'ny olona rehetra hananany fiainana any am-parany ny fiainana tsara niainan'ireo olona tsy nahalala an'Andriamanitra. Ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena izao rehetra izao dia raisin'ny Fiangonana adidy ny mampandroso ny olona sy ny voaary... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco