Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.

Manamasina sy mizaka ny ampahan'ny andian'ondrin'ny Tompo nankinina aminy ny pretra eo ambany fifehezan'ny Eveka. Mikatsaka sy mitsinjo mandrakariva ny hahasoa ny vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'ny Eveka ka tsy tokony hiraviravy tanana na hiroro fo sy saina eo amin'ny Diôsezy misy azy amin'izany fikatsahana ny soa ho an'ny andian'ondriny nankinina taminy izany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

21 jona — I Masindahy Louis de Gonzague dia teraka tao Castiglione ny 9 marsa 1568, zanak’i Ferdinand Ier Gonzague sy i Marta Tana de Santena i Louis. Zaza voalohany izy ary ny reniny no tena niandraikitra ny fanabeazana azy ara-panahy. Mpino katôlika mafana fo ny fianakaviany ary maro ireo eveka sy kardinaly nipoitra avy amin’izany fianakaviana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...