Ny Takilodrano dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra, kankana antsoina hoe "Kankan-dio" (Schistosoma). Misy karazany telo ny kankan-dio eto Madagasikara dia ny Schistosma mansoni, izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinay ; ny Schistosoma haematobium izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tatavia na ny taovam-pananahana ; ary ny Schistoma intercalatum izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinaim-body na ny taovam-pananahana. Eny amin'ny ranomamy miandrona na mikoriana miadana no ahitana io katsentsitra io. Monina ao amin'ny sifotra izy avy eo mifindra amin'ny olona.
Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.
Ketsa Saraka, na fafy saraka, ahazoana 10 taonina isaky ny hektara ny fampiharana ity teknika fambolem-bary nokarohany ity hoy jeneraly Rabemanantsoa Robert. Milonjehatra ny salohim-bary eny an-tanimbarin'i jeneraly amin'izao volana avrily izao. Tsy ho ela dia hampiaka-bokatra izy. Manam-boninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro ; liana tamin'ny voly vary.
Miara-manorina ny ho aviny sy ny maha olom-banona azy amin'ny ray aman-dreny ny zatovo ka ao an-tokantrano no tena hanefena izany. Ny andraikitry ny tanora manoloana ny maha zatovo azy dia ny fanajana ny ray aman-dreny, noho izy ireo fanomezana. Namana akaiky izy ireo ka hanokanana fotoana manokana hiarahana aminy, ary tsy andosirana mihitsy ny ray aman-dreny na dia mahasosotra ny zatovo aza ny ataony. Amin'izany dia ny zatovo mihitsy no mila miantso "Filankevi-pianakaviana" (Conseil de famille), ny teny sy ny fihetsika amin'izany kosa ezahana mba ho amim-panajana hatrany.
Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)
Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.
Ny hery fiarovana ao amin'ny vatan'ny olombelona dia fitambaran'ny singa maromaro, miara-miasa sy mifandrindra asa, mitily sy misakana izay rehetra mety ho fanafihana mahazo ny vatan'ny olombelona. Mila kolokoloina ny hery fiarovana ao amin'ny vatana mba hahatomombana tsara ny asany.
Nidina ifotony nijery ny fomba fiasa teny amin'ny abattoir teny Ampasika, ao Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitra Ranarivelo Lucien sy ny mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 26 avrily teo, manoloana ny fisian'ny FVR mahazo ny omby sy ny ondry aman'osy amin'ny faritra dimy eto Madagasikara.
Ny olombelona dia vatana, saina sy fanahy. Samy mila sakafo izy telo ireo, samy mila fanabeazana, samy manana zo hivoatra, ary tsy azo sarahana. Mibe ny olona, mba hanovo soatoavina, ka mampifanaraka ny fanapahan-keviny amin'ny soatoavina tsara nibeazany ny tsirairay. Mba tsy handeha an-jambany ny "tanora miala sakana", dia tokony ho namany mandrakariva ny ray aman-dreny. Atsangana ao an-trano ny "conseil de famille", hibeazan'ny tsirairay, sy hanehoany ny maha olona feno azy.
Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)
Herintaona mahery no niatrehantsika ny valan'aretina nateraky ny Coronavirus. Nampisy fiovana teo amin'ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao ny fihanak'ity valan'aretina ity. Fiovana mankany amin'ny fandrosoana ve ? Sa mitondra fihemorana kosa ?
Aretina mpahazo ny biby mandinika ny Fièvre de la Vallée du Rift ka ny kaikitry ny moka no fomba fifindran'ny tsimokaretina eo amin'ny samy biby. Efa tamin'ny taona 1880 no nahafantarana ny fisiany, ary ny taona 1951, tao Afrika Atsimo, no nahitana voalohany tranga tamin'ny olombelona. Ny fikirakirana ny ran'ny biby marary sy ny fihinanana ny hena sy ny ronono tsy tsara masaka kosa no mampifindra ny tsimokaretina amin'ny olombelona.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco