Tamin’izany andro izany, nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidîko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihinana mofo amiko no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe: "Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa izay naniraka Ahy; ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy. Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro, satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko."
Tamin’izany andro izany, dia tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro, ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna. Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: "Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay."
Dia hoy i Jesoa namaly azy: "Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko; fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko. Ny ondriko mihaino ny feoko. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana, na oviana ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Ray Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany."
Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony."
Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany. Koa hoy indray i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hidiIra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: "Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko".
Tamin’izany andro izany, raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa, dia nilaza hoe: "Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay." Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: "Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?" Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony, fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Manafintohina anareo va izany? Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha. Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo." Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: "Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany." Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: "Ianareo koa va mba te-hiala?" Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra."
Tamin’izany andro izany, raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa, dia nilaza hoe: "Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay." Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: "Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?" Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony, fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Manafintohina anareo va izany? Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha. Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo." Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: "Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany." Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: "Ianareo koa va mba te-hiala?" Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra."
Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: "Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?" Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay." Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka hoe: "Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana itý mofo itý dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Izaho no mofon’ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay. Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Tamin’izany andro izany, hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny."
Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra."
Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay."
Ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo, dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny rano masina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy.
Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?"
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase."
Ary hoy izy ireo taminy: "Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny."
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco