Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra tahaka ny voromahailala. Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo; sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy; ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako: fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy. Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: "Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: "Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana"; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana noho ny hatao amin’izany tanàna izany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: "Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra."
Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: "Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy." Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: "Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho." Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: "Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao." Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: "Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory." Dia nihomehezan’ireo Izy. Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io. Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
Tamin’izany andro izany, i Tômà, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay." Fa hoy izy tamin’ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny fony ny tanako, dia tsy hino aho." Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko; dia minoa, fa aza malain-kino." Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka mino."
Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: "Andeha hanaraka Ahy ianao." Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Fa hoy i Jesoa nandre izany: "Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota."
Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Matokia anaka, fa voavela ny helokao." Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io." Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka", dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.
Tamin’izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atý?" Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: "Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy." Ary hoy Izy taminy: "Mandehana." Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany." Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko"; fa hoy i Jesoa taminy: "Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy."
Tamin’izany andro izany, dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy. Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: "Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy". Dia nandeha niaraka taminy Izy ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona, izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy: "Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho". Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany, ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe: "Iza no nanendry ny fitafiako?" Ary hoy ny mpianany taminy: "Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?" Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy: "Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao". Raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga ka nanao taminy hoe: "Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?" Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe: "Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany". Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa. Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory". Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy, ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: "Talità, komy" izany hoe: "Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna". Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra, fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco