Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe: "Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ho avy hanasitrana azy Aho." Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: "Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: "Andeha ianao", dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray hoe: "Avia ianao", dia avy Izy; ary ny ankiziko: "Ataovy izao", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ny zanaky ny fanjakana kosa, dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify." Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: "Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo, dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nisarivý azy ireo izy. Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.
Tamin’izany andro izany, raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin’ny vahoaka betsaka. Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: "Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy." Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: "Mety Aho, madiova ianao." Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Ary hoy i Jesoa taminy: "Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao."
Tamin’izany andro izany, nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany, fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny ireniny nanao hoe: "Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy." Fa hoy izy ireo taminy: "Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany." Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fàfana izy ary nanoratra hoe: "Joany no anarany"; ka gaga daholo izy rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe: "Ho inona re, ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo." Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: ka dia ny voany no hahafantaranareo azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady etý, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary etý ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: "Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao", nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana? Noho izany aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa. Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'ireo nofantsihana, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny Hazofijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza". Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: "Hijery IIay nolefoniny izy".
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra."
Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco