Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: "Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?" Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: "Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika".
Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: "Raiso, fa Vatako ity". Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: "Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: "Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa."
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: "Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?" Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?" Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo."
Tamin’izany andro izany, naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?" Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako." Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: "Sarin’iza, sy anaran’iza io?" — Hoy iretsy hoe: "An’i Sezara." Dia hoy i Jesoa taminy: "Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra." Dia nigagan’izy ireo Izy.
Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!" Ary hoy i Maria: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika."
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.
Tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao".
Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho." Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: "Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy kosa i Jesoa: "Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."
Tamin’izany andro izany, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay. Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: "Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay." Ary ren’ny mpianany izany.
Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala, ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly, sady nampianatra Izy nanao hoe: "Moa tsy voasoratra hoe: Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy." Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany. Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.
Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fakany ilay aviavy. Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: "Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao." Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Manàna finoana an’Andriamanitra. Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin’itý tendrombohitra itý hoe: Mialà ianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy, fa ho tanteraka tokoa izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan’izany. Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo."
Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko." Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: "Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao." Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" Dia hoy ilay jamba: "Rabony ô, aoka mba hahiratra aho." Ary hoy i Jesoa: "Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Tamin’izany andro izany, nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: "Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily; dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo." Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao." Ary hoy Izy: "Inona no tianareo hataoko aminareo?" Dia hoy ireo: "Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?" Hoy ireo taminy: "Zakanay." Fa hoy kosa i Jesoa: "Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany." Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo, ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
Tamin’izany andro izany, i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao." Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany."
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco