Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko." Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: "Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao." Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" Dia hoy ilay jamba: "Rabony ô, aoka mba hahiratra aho." Ary hoy i Jesoa: "Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...