Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany." Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko"; fa hoy i Jesoa taminy: "Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...