Ny atelon'andron'ny Paka dia manomboka ny Alakamisy. Telo andro mialohan'ny nahafatesany i Jesoa dia naneho zavatra maro : Ny alakamisy Masina no namoronany ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny Filaharana. Ny alakamisy ihany koa dia fetin'ny pretra izay tandindon'ny fanorenena ny Sakramentan'ny Filaharana. Katesizy momba ny Alakamisy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Zoma Masina dia hanaovana fifadiana lehibe. Ho fandraisana anjara amin'ny fijalian'i Jesoa sy hibanjinana ny fanavotana. Ny Zoma dia fahatanterahan'ny Sorona dia Izy tenany sy ny namatsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan'i Jesoa dia tsy ho an'ny Jody irery fa ho an'izao tontolo izao, na mpino na tsia. Katesizy momba ny Zoma Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny ankalazaina ny andron'ny paka dia tohin'ny tantara Masina taorian'ny nitsanganan' i Jesoa ho velona. Ny fisehoana tamin'ireo mpianany no misongadina amin'ny Vaki-teny Masina amin'io Paka io. Piera no vavolombelona voalohany ary nitory ny Vaovao Mahavaly araka izay voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly, ary izany no maha Apôstôlika ny Eglizy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Hatrany am-piandohàna dia efa noharin’Andriamanitra hisokatra amin’ny tontolohafa sy hivelatra amin’ny olona rehetra ny olombelona. "Tsy tsara raha irery nyolona" hoy ny Jen 2, 18. Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny miara-monina. Izay no miteraka fiaraha – monina. Mila mifandray izy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Fangorahana, lalan’ny sinody, araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Joany 12, 8 dia : "hisy mandrakariva ny mahantra" eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny fiheverana ny fahantràna dia miainga amin’ny lafiny ara-materialy ihany, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny hanin-ko hanina, mitafy voron-kitsay, trano tsizarizary. Ny fahantràna ara-tsaina ihany koa dia efa fahantràna, fa indrindra ny ara-panahy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Fangorahana sy famindram-po, toe-tsaina ilàna fizàrana na fahazarana. Tsy hoe fihetseham-po mandeha ho azy ny mangoraka sy ny mamindra fo fa toetra volena mba hanahafana an’Andriamanitra mangoraka ny vahoakany sy mangoraka azy amin’ny halemeny. Tsy hisy hahatsapa ho tena sambatra raha mbola misy ny mijaly. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Fangorahana sy famindram-po, antso ho an’ny Eglizy ankehitriny. Fa iza moa ny Eglizy ? Araka fampianaran’ny Kônsily Vatikana II, ao amin’ny foto-pampianarana momba ny Eglizy "Fahazavan’izao tontolo izao", toko fahatelo, dia ny vahoakan’Andriamanitra tsivakivolo no Eglizy satria ireo no tolorany ny famojena. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Masina Maria, môdelin’ny fangorahana "hatsaram-panahy ny famindram-po sy ny fangorahana" ; ny olona manetry tena ihany anefa no ho afaka mamindrà fo sy mangoraka. Hatsaram-panahy fototra ny fanetren-tena, ary io hatsaram-panahy io no nanainga an’i Masina Maria hangoraka nyr ahahavaviny, i Mb Elisabeth. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Miha olona ny fiaraha-monina rehefa mahay mangoraka sy mamindra fo ny fahalemen'ny hafa ny tsirairay, ary manampy azy hiala amin'izany fahalemena izany. Mitaky halemempanahy sy fanetrentena ny fahaiza-mangoraka. Ao anatin'ny fitiavana tsy mitaky valiny no hanatanterahana izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Maro tokoa ny tambazotra sosialy ampiasaina amin'izao vanin'andro misy antsika izao, na ny any amin'ny firenen-kafa na isika eto Madagasikara. Ohatra vitsy amin'izany ireto tanisaina amintsika ireto : Instagram, Twitter, WhatsApp, Skype, Telegram, Signal, TripAdvisor, MySpace, Netlog, LinkedIn, TikTok, SnapChat, Twich sns. iray amin'izy ireo ny Facebook izay betsaka mampiasa eto Madagasikara. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Maro isan-karazany ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fampiasana ny "facebook" raha tena ampiasaina amin'ny maha fitaovana azy satria mampiditra fomba vaovao hifandraisana sy hahazoana vaovao izy ity. Anisan'ny tanjaky ny "facebook" ny fahafahana mampitombo ny fifandraisana. Mila fitandremana ny fampiasana ny "facebook" hoy ny Papa Fransoa : tsy afaka manolo ny tena zava-misy ny virtoaly. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco