Vakiteny voalohany

Bokin'i Jeremia Mpaminany 23, 5-8

Hanangana Solofo marina ho an’i Davida Aho.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hananganako ho an’i Davida Solofo marina;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry,
hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena;
i Israely handry fehizay;
ary izao no anarana hanononana Azy:

“Tompo - fahamarinantsika.”

Noho izany, indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
izay tsy hanaovana intsony hoe:

“Velona ny Tompo,
izay nitondra ny zanak’i Israely
niakatra avy any amin’ny tany Ejipta”;

fa hoe:

“Velona ny Tompo, izay nitondra sy nampody
ny firenena taranak’i Israely,
avy any amin’ny tany Avaratra
sy ny tany rehetra nandroahako azy
Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 12-13. 18-19

Ny Rariny hamony amin’ny andron’ny Tompo.

Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Izy hanafaka ny malahelo
mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra sy ny ory hovonjeny
hotsimbininy hatrany ny osa.

Eny, hisaorana anie Andriamanitra!
Mahagaga ny asa nataony
ka hisaorana mandrakizay
izany Anarany tsy lefy laza.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony..

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

I Jesoa dia naterak’i Maria, vadin’i Jôsefa zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny,
noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baràka azy
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra.”

Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy
ka nampakatra ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 febroary 2025

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...