18 desambra 2023 — Alatsinainy, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 1, 18-24)
Ry kristianina havana! Valo andro mialoha ny Noely dia miresaka momba ny fahazazan’i Jesoa, indrindra ny nahaterahana sy ny nipoirany ny Evanjely nanomboka omaly araka ny fitantaran’i Masindahy Matio. Ny Evanjelin’i Masindahy Matio dia nosoratana ho an’ireo Jody kristianina ka eo am-piandohan’ny fitantarany ny fiainan’i Jesoa dia faritany mazava tsara ny nipoirany, ahafahana milaza fa olona manam-pototra i Jesoa na dia Andriamanitra aza fa tsy nilatsaka avy any an-danitra na tonga tamin’ny alalan’ny mazia na fahagagana. Ny tetiarany voalazan’ny Evanjely teo alohan’ity naroso ho antsika androany ity no manambara izany. Ho an’i Marka ohatra dia tonga dia manomboka amin’ny batemin’i Jesoa ny fitantarany fa tsy miresaka momba ity fahazazany ity izy. I Matio sy i Lioka no niezaka namoaka izany tantara izany. Eto i Matio dia maneho fitantarana mampifandray ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao entiny ilazana fa io Jesoa io tokoa ilay efa nandrasan’i Israely hatry ny ela ary efa nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama sy i Davida, ilay Moizy Vaovao. Ho an’i Lioka kosa dia asiany tsindrim-peo ny fahatongavan’i Jesoa, ilay mpamonjy nampanantenaina ny Jentily, satria ny Evanjeliny moa dia nosoratana ho an’ireo Jentily nibebaka ary izy anisany.
Eto dia misy lafim-piainana roa maha olona antsika faritan’i Matio mitantara. Tena zava-misy iainan’ny olona andavanadro kanefa dia mifameno amin’ny teôlôjian’ny fahatongavana ho nofo. Voalohany, dia i Maria fofombadin’i Josefa teo amin’ny fahatanorany erotrerony ary tsy fofombady fotsiny fa fikasana mitohy hatrany amin’ny mariazy. Fahasoavana izany ary hafalina satria fanohizana izay efa notsofin’Andriamanitra rano hatrany am-piandohana amin’ny boky Jenezy. Faharoa, ilay mistery mahagaga dia ny naha bevoka an’i Maria nefa izy virjiny. Voafaritra mazava fa ny Fanahy Masina no nahatorontoronina ny zaza tao an-kibony, ary io ilay Zanak’Andriamanitra efa nandrasana hatry ny ela, ilay Mesia.
Anisan’ny nampiavaka an’i Matio koa eto amin’ity Evanjely norenesintsika dia ny fanehoany zavatra mitovy, niseho tamin’i Maria sy i Josefa momba an’i Jesoa ho tonga nofo io: fisehoan’ny Anjely, ny fanomezana sahady mialoha ny anaran’ny zaza ho teraka izay midika ny asa miandry azy sahady ary ny famantarana milaza ny fahamarinan’ny hafatra. I Jesoa Mpamonjy io ho teraka faritan’ny Evanjely io. Tsy ny Jody ihany no novonjeny fa isika rehetra, koa aoka àry isika amin’izao fotoana efa manakaiky ny Noely izao mba samy hanao ny fomba rehetra handraisana azy ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika.
Jesoa Tompo ô! Sarotra ho anay ny mahatakatra ny misterin’ny fahatongavanao ho nofo raha tsy ireo Mpanoratra ny Evanjely nanambara izany taminay. Ampio izahay hazoto hamaky sy handalina ny Evanjely fa ao no anomezanao anay ny marina rehetra momba an’i Jesoa Zanakao Mpamonjy anay. Amen.