Zoma 09 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26 — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

0 : 00

Ry havana, rentsika tamin’ny Evanjely teo fa tsy fanahy madio ihany no misy eto amin’ity tontolo ity fa miahoaho eny amin’ny rehetra eny ary mitady izay hitoerany ny fanahy maloto. Mila miaro tena ny amin’izany isika, ka anisan’ny tsara indrindra amin’ny fiarovan-tena dia ny fialofana eo ambany rantsan-tanan’Andriamanitra, izany hoe eo ambany fahefan’Andriamanitra sy ny heriny. Hoy mantsy i Masindahy Paoly hoe : velona isika ho an’ny Tompo, ary maty isika ho an’ny Tompo. Araka izany, mila tandrovana toy ny anakandriamaso ny fahadiovantsika eo anatrehan’Andriamanitra ary raha sanatria miseho ny fahalemena maha olombelona ka tapaka ny fihavanana amin’Andriamanitra dia mila averina amin’ny laoniny faran’izay haingana izany amin’ny alalan’ny sakramenta eo anivon’ny Eglizy ary raha sendran’ny asan’ny demony, dia ny fanatonana ireo olona nomena fahefana manokana amin’izany raharaha fandroahana demony izany no atao.

Tandremo fa efa be ny mpanararaotra ankehitriny, milaza ho mpandroaka demony. Ho antsika katôkika, misy mpandraharaha masina efa natokana amin’izany, ireny no atonina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : aza omena hirika eo amin’ny fiteninao, amin’ny fitafinao, eo amin’ny fianakavianao, eo amin’ny vondrona misy anao ny demony. Mazava anie ny tenin’i Kristy, “izay tsy momba ahy dia manohitra ahy”, hoy Izy. Koa isika izay eo ambany fiarovany sy ny fitantanany àry dia mpanaraka Azy, fa tsy mpanohitra ny Teniny isika. Aoka àry, araka izany tsy ho titre na anarana entim-poana ny maha an’i Kristy antsika. Raha tsy mitandrina manko sy tsy miaro tena araka ny voalaza etsy ambony dia fiainana ratsy kokoa hatrany no sandan’izany : saritsarim-pahasambarana mifono fahoriana amam-pahafatesana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...