Efa teo am-pela-tanan'ireo jiolahy i Anja no navotan'ilay aloka tsy fanta-piaviana nitoraka vato azy ireo tamin'ny alalan'ny antsamotady. Tonga indray ilay mpanavotra tsy fantatra, ary io no nanome baiko azy hamonjy ny tranon'ikaky Rakonka haingana dia haingana.

Na dia nilamina tanteraka aza ny alina voalohany nodiavin'i Jaona sy Nary dia toy ny mahazatra, tonga indray ny fanakorontanana. Nisehoan'i Hanitra izy roa lahy, ary nilazany i Jaona mba hampita maika amin'i Njaka rainy fa hoe tsy ety intsony izy ary ao anaty efitranony no misy ny tsiambaratelon'i Hanitra.

May volon-tratra ireo iraky ny andriambaventy sy ireo mpiara-dia taminy hanenjika an'i Leva ka hanao izay hahafaty azy mihitsy, araka ny baikon'ny andriambaventy : tsy maintsy taperina ny ainy fa raha tsy izany dia i Leva no hanondro tsirairay ny endrik'izy ireo ka hoadinin'ny andriana ireny olona ireny, dia tsy maintsy ho fantatra amin'izay fotoana izay fa ny andriambaventy no naniraka azy ireo hamono olona.

Nahazo namana hiara-mipetraka aminy araka ny nangatahany tamin'i Njaka i Jaona. Afaka ny tebiteby sy ny tahotra mahazo azy satria tsy irery intsony izy hiatrika ny fanakorontanana isak'alina nahazo azy sy ireo roa lahy nodiambiasany teo aloha. Very hevitra amin'ny fomba atao hisavana ireo volamena ao an-tanànan'i Njaka i Rasedy noho ny fisian'i Jaona, tsy hahafahany migalabona amin'ny fisavana ny trano rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...