Nalain'ny olona an-keriny indray i Anja, nilazany fa na handeha hanaraka azy tsy misy hatak'andro dia ho velona i Leva, na tsy handeha dia hamoy ny ainy izy. Tao anatin'izany indray no nipoiran'ilay olon-tsy fantatra mpitoraka antsamotady nanavotra azy.

Tonga namangy an'i Haja tany am-ponja i Tefy nilaza ny vaovao momba ny lozam-piarakodia nahazo an'i Ranja sy i Mialy. Malemy tsy afaka miarina eo am-pandriana intsony i Ranja vokatr'izany. Efa saika hamono tena fa tsy afaka naka ireo fanafody nanakaiky ny fandriany satria tsy afa-niarina. Niverina ihany i Mialy rehefa saika nandao sy nahafoy ity reny nitaiza sy nanabe nampitondra fahoriana azy. Vonona ny hamela ny helony sy hikarakara azy amin'izao fahavoazany izao. Afaka nivady soa aman-tsara ihany i Mialy sy Tefy satria tsy mpianadahy, ary efa eo am-piandrasana ny menaky ny aina izy ireo.

Nifamboraka ny tao am-pony i Ranja sy i Mialy rehefa fantatra fa manana aretim-po mitaiza azy i Mialy : ny alahelo sy ny hatezeran'i Mialy tamin'ny nataon'i Ranja tamin'i Rivo rainy nahitany masoandro ; ny fifonan'i Ranja tamin'i Mialy tamin'izay rehetra vitany hatrizay. Nohadihadiana teny amin'ny polisy i Ranja, ary voarara tsy mahazo miala ny faritra manodidina ny toeram-ponenany.

Velona i Anja, afaka. Tsy resin-tangena. Niarahaba azy nomen-janahary ny hitsiny ny mpomba azy. Saingy ny fiantraikan'izay sedra mivaivay izay no mbola tsy nifarana hatreo, na ara-batana indrindra indrindra, na ara-tsaina, na ara-panahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...