Resy lahatra i Leva fa ny fahafantarana ny fahavalo manenjika sy mifofo ny ain'izy ireo no tokony atao. Ary dia vonona ny hanjohy ilay lava-bato nanafenan'ireo olon-dratsy azy i Leva. Nanaiky ihany i Anja na dia mandry an-driran'antsy lava sy mitaintaina toy ny sahobakaka am-bodiriana lava izao aza.

Very hevitra Rasedy raikelin'i Njaka fa tsy nahomby ny tetika nomaniny hikarohany ireo volamenan'itompokovavy Lucienne vadin'i Njaka, satria fantany fa tsy maintsy i Hanitra no nampirina ireo volamena. Efa nahita mpiandry tanàna i Njaka ka tsy afaka handray an'i Neny Rasoa iraka hikaroka ireo volamena amin'ny alalan'ny fanaovana sarintsarina mpiasa an-trano izy. Tapa-kevitra Rasedy fa izy mihitsy no hirotsaka hanatanteraka ny asa.

Dia tapa-kevitra hiaraka amin'i Anja i Leva. Roso ny dia, handao ity akany nahabe nahitana ny fifamahofahon'ny fiainana maro isan-karazany. Tono mangahazo kely no mba vatsy an-dàlana. Nandry tany anaty ala. Niatrika tahotra sy horohoro hatrany tamin'izay tany nodiavina. Ary dia tena nifanehatra tamin'ny olon-dratsy tokoa. Saingy dia nanjohy hatrany azy roa teny ihany koa ilay olon-tsy fantatra nanavotra azy ireo.

Nataon'i Njaka mpiandry ny tanànany ilay jiolahy nanendaka azy. Izy rahateo tena ao anatin'ny fitadiavana olona hiandry ny tanànany, izay tsy foiny hamidy na dia efa tsy mipetraka any intsony aza izy noho io tanàna io mirakitra ny fiainan'i Hanitra zanany sy ny fiainan'izy mivady fony fahavelon-dratompokovavy. Rasedy raikelin'i Njaka etsy an-daniny mitetika ny hametraka olona hiandry ny tanàna, amin'izay mora aminy ny manatanteraka ny tanjona iriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...