Nangataka andro tapa-bolana tamin'ireo mpitaky trosa ikaky Rakonka ary nilaza izy fa tsy maintsy voaloany ny vola na dia hivarotany ny tanindrazany aza. Vokatr'izany, noroahany tsy hipetraka ao aminy intsony i Anja fa mitondra vintan-dratsy ho azy hono. Na dia niangavy mafy aza i Leva ny mba tsy handroahana an'i Anja dia tsy nanaiky mihitsy ikaky, fa nomeny safidy i Leva na : hanaraka an'i Anja any amin'izay tany halehany, na : hijanona ao aminy.

Lasan'ny mpangaro-paosy ny poketran'i Njaka, tsy namelany fa nohenjehiny ka tratrany tokoa rehefa tapi-dala-kilefana. Nentiny tamin'ny fiara rehefa avy norahonany fa na : hanaraka azy moramora any amin'ny polisy, na : hiantsoany fokonolona hanaovan'ny olona fitsaram-bahoaka. Nifompona sy nibaboka teo ilay jiolahy ary niangavy mafy tamin'i Njaka mba tsy hanagadrany azy fa hanompo azy mandrapahafatiny.

 Nody i Leva. Niaraka tamin'ny vatana trotraka sy torovana, miampy ireo ratra sy mangana navelan'ny vono nahatra taminy. Ny nanitsahany ny tokonam-baravarana no ela dia nidaraboka nivalampatra teo ambony tsihy izy. Ranomaso no nitsenan'i Anja izany rehetra izany. Alahelo sy fitserana no nandraisan'ikaky Rakonka an'i Leva, tonga niaraka tamin'ireo mpanozondoha sy vadintany ary andriambaventy haka ny vola efa nifanarahan'izy ireo. Saingy nivadika ho hasosorana sy hatezerana miompampana izany rehefa tsy hita fa very nisy nandroba tao an-tranony ireo vola tahiry mba nafeniny tao ambany tsihy.

Miasa saina lalina amin'ny tsy fahitana an'i Hanitra zanany efa nandritra ny tapa-bolana i Njaka. Te hino ihany izy na dia tsy resy lahatra aza fa hoe lasa nanaraka ny olon-tiany ohatra ny zanany, araka ny filazan'ny rainy azy. Tsy mbola nisy vokany ny fikarohana nataon'ireo manam-pahefana nandray an-tànana ny raharaha. Mitsiditsidika an'i Njaka matetika ihany koa ny rainy hatramin'ny nahafaty ny vadiny, indrindra fa hatramin'ny nanjavonan'ilay mba hany zanany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...