Azon'i Rasedy ireo volamena, nanomezany ampahany an'i Solenge, ary rehefa izany dia nilazany i Solenge fa misaraka hatreo ny dian'izy ireo. Teny an-dàlana handositra hitsoaka lavitra ny renivohitra izy no niharan'ny lozam-piarakodia, ary dia maty tsy tra-drano.

Tsy maintsy niditra hopitaly hiatrika fandidiana i Jaona noho ny bala tavela ao amin'ny tratrany sy noho ny rà be very taminy. Voarakitra tao amin'ny diarin'i Hanitra ny anaran-dRasedy, nanana ny anjarany teo amin'ny tantaram-piainan'i Hanitra. Tankina i Njaka raha namaky izany.

Akaiky ny famonjena. Hitranga amin'ny tany ama-monina ihany koa ny marina rehetra nokobonina hatramin'izay. Saingy mbola voasakan'ireo jiolahy mpamono olona ihany i Leva sy Anja teo amin'ny fotoana farany tsy hahatongavany teny an-tanàna. Kanefa kosa mbola avotra ihany : noho ilay mpitoraka antsamotady ! Ary dia hipoitra amin'izay ny marina.

Nanatanteraka avy hatrany izay nambaran'i Hanitra tao anatin'ny fisehoany i Jaona sy Nary : nisava ny efitranony hahitana ireo tsiambaratelony. I Rasedy tetsy an-daniny efa tonga hanafika ny tanàna . Sombiny fotsiny ihany tamin'izay voasoratra tao anatin'ny diarin'i Hanitra dia ampy nanajanonan'izy roa lahy ny famakiana azy satria mampihoron-koditra sy mampalahelo loatra. Teo am-piantsoana an-telephone an'i Njaka i Jaona no notifirin'i Rasedy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...