Mifampitafa matetika i Faly sy ny rainy, tsy momba ny orinasan'izy ireo ihany fa momba ny fiainana manontolo mihitsy, ary anisan'izany ny vaovao iray tsy nampoizina, nifona tamin'i rain'i Faly tamin'ny alalan'ny telephone ramatoa Jeanne renin'i Faly, izay misintaka any ampitan-dranomasina. Niangavy an-drainy nefa i Faly ny mba handraisana indray ny reniny hody ao an-trano, satria efa mba mieritreritra izay hitantana azy amin'ny mariaziny rahatrizay.

Nanampy an'i Tsiky hanadino ny fitiavany an'i Faly ny fisian'i Toky eo amin'ny fiainany na dia tsy mampandrimandry ny sainy loatra aza ny fomba fitadiavany vola hivelomana, sy ny fiarahany amin'i Njaka mpiara-miasa aminy. Nekeny tsy sazoka sy tsy niasany saina fotsiny izany.

Nofinofy tsy tanteraka ilay fitia vao nitsimoka dia toa nandrobona sahady niainan'ny mpanoratra sy ilay tovovavy misalotra ny anarana hoe : Claire. Nifarana sahady satria fitiavana voarara tsy azo tanterahana. Tovovavy fofombadin'ny sakaizany ihany ity nahasafononoka vetivety ny fahasambarany. Nifamarafara izy roa fa samy hanatanteraka ny nifanekena : ny mpanoratra ho tia ny vady andefimandriny, ilay tovovavy hanaiky fa hanambady an'i Randria sakaizan'ity olon-tiany tao anatin'ny fotoana voafetra.

Neken'i Tsiky ihany ny hifankatia amin'i Toky. Na izy aza nefa gaga tamin'izany fihetsiny izany. Tafara-dàlana tamin'i Faly i Tsiky ka nateriny tany am-piasana, amin'ny maha mpiara-miasa an'i Tsiky sy Rebeca dia tonga tany amin'i Rebeca ny tatitra, vokatr'izany : nanomboka nikorontana ny sain'i Rebeca.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...