Na dia nanao izay tsy hifanenany amin'ilay Srilankey sy ny tanan-kavanany aza i Kalamina, dia tratrany tao anatin'ny tsy nampoizina ihany ; ary dia tongan'izy ireo tany an-tranon'ity liona mpihaza tsy azo nidifiana.

Nitombo isa ny mpanadala an'i Kala. Manao soron'afon'ikala adala ireo : ny eo tsy afaka, ny hafa misosoka ihany. Asa ! Aiza ihany no halehany ?

Tsy afa-po Rasera raha tsy tafaresaka mivantana tamin'ny raibe sy reniben'i Kalamina, na dia efa avy nitatitra ny zava-misy tany amin'ny mpampianatra azy aza. Na dia famingavingana koa aza no setrin'izany herim-pony izany, dia nahatsiaro ho mandry eritreritra kosa izy.

Tsy ny sesidohalika afitsok'ireo raibe sy renibeny amin'i Kalamina ihany no mampiady saina an'i Rojofotsy, fa ny fihetseham-pony mangina amin'i Kalamina tsy hainy faritana hoe inona. Rasera kosa, asa na amin'ny maha samy vehivavy sy amin'ny maha fon-dreny mitepo, na dia tsy mba nanana izay naloaky ny kibony aza ; fa dia nanao sorona ny tenany hanao izay faraheriny hanakanana ny hanambadian'i Kalamina izy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...