Vita ihany ny fanandramana hamaky magazay mpivarotra volamena an'ny tera-tany karana, na dia efa nihatra taman'aina mihitsy aza. Saingy mbola tsy nanana eritreritra izay hitodi-doha any an-tokantrano i Dera. Nifanena tamin'i Vola teny an-dàlana izy saingy tsy nahatadidy azy i Vola. Tany amin'ny trano famakiam-boky indray ny sedra manaraka.

Nifampisava talenta ireto tontakely tafaraka ka samy naneho niaraka izay manavanana azy. Rehefa tonga teo amin'ny anjaran'i Dera, dia nanjary zava-bitika taminy indray ny tsindrona sy ny sisika antony nandosirany ny tokantranony ka nahitany izao tsy fahita rehetra izao. Satriny na dia ho tonga tampoka izao ankehitriny izao aza ny fara andro mba tsy hiasany saina hamorona zavatra tsy fanao, izay efa andrasan'izy roa lahy namany.

Rehefa avy niatrika ny fanadihadiana tao amin'ny polisy ka mba afaka tamin'izany i Dera dia tsy maintsy hividy pataloha satria tsy maintsy hoaverina ny akanjon-dRasamy nindramina. Azo soa aman-tsara ny pataloha novidiana saingy tojo mpangarom-paosy sy tontakely indray izy ka tsy afa-niala, fa dia nanaraka ny onjany teny, ny nifarany ? Nahita ny tsy fahita indray.

Tonga hatrany amin'ny paositry ny polisy i Dera nohadihadiana momba ireo trangan-javatra nihatra taminy tsinahy. Izay niseho dia natrehany, na dia tsy avy aminy akory aza no antony nahatonga ny ankabeazan'izay nitranga. Nihatra taminy avokoa na fanaintainan'ny vatana, na fahasahiranan'ny saina, na fahaverezam-panahy. Reraka ihany no niafarany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...