Nandao ny korana niarahana tamin'ireto tanora i Doda, dia mba lasa koa i Dera nanaraka avy ato aoriana. Nanindry mandry an'i Dera fa zanak'ilay rangahy nifanena taminy omaly i Doda, ka dia nentin'ny tsindrimandriny ho tody teo aminy tokoa izy. I Doda efa safotra tsy mahatsiaro tena intsony ary maratra no tratrany.

Tao anatin'ny trangan-javatra nampametra-panontaniana ireto tanora rehetra dia nahatsapa izy ireo fa mitaky ankehitriny ny toaka sy rongony nibobohana. Dia samy nifampitantara ny fahoriany teo avy ny tsirairay. Mba mody namorona ny fiantraikan'ny toaka sy rongony taminy koa i Dera mba tsy hiavaka amin'izy rehetra. Gaga nefa ny rehetra fa i Dera ihany no sisa hany nazoto homana.

Rehefa ela nitanana ny anjara toeran'i Doda tamin'ireo koranan'ny tanora namany vaovao i Dera dia nipoitra ihany i Doda tompon-toerana.

Voatery tsy maintsy nanaraka ny fanaon'ireto tanora lasa namany tsy fidiny sy tsy nahafahany niala hatramin'ny farany i Dera : nisotro, nifoka, nandihy, nihinana. Noheverin'ireto namana vaovao aminy, ho ilay anankiray amin'ireo niara-nihira tamin'izy ireo i Dera ka tsy hita elaela, i Doda no anarany. Dia nitana ny anjara toeran'i Doda hatramin'ny farany i Dera teo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...