Resaka tsilian-tsofina momba ny karazan-tsakafo matsiro nataon'ny tovolahy 3 sendra tafaraka niara-nipetrapetraka tamin'i Dera teny an-jaridaina teny no nitondra azy hisakafo tany amin'ny hotely sinoa iray, ka nihinanany zavatra mbola tsy nohaniny teo amin'ny fiainany, ary dia nitarika azy ho tonga hatrany amin'ny fahitana ny rendrarendra fanaon'ny tanora amin'ny fisotroana, fidorohana, sy ireo fanao mamoafady isan-karazany.

Vokatry ny fangorahana nasehon'i Dera ilay namana natahotra ny fitsaran'ny lehibeny izay mpitsara rahateo, tamin'ny trangan-javatra niarahan'izy sy Dera niatrika, dia any an-tranon'ingahy mpitsara i Dera no niatrika fanadihadiana sy fakana am-bavany, ary rehefa izay dia nanasa sy nipasoka ny akanjony tao an-tokan-tranon'izy ireo.

Sendra antso vonjy indray i Dera teny an-dàlana ka nanolo-tena ho mpamonjy tao anatin'izany raha nahita tovolahy kely mavesatra entana noroban'ny mpirenireny an-tsena. Tantara lava indray ny tohiny sy ny niafarany. Saingy dia volan-kakafotra mandrakariva : voadona foana fa afaka foana ihany koa.

Tsy najanon'ny kisendrasendra indray i Dera raha tsy tany am-piandrasam-paty rehefa avy nodonin'ny fiara teny an-dàlam-be, ary saika nidiran-doza tamin'ny toaka gasy tao anatin'ny fiara fitateram-bahoaka nandehanany hihazo an'Antananarivo. Na izy aza mba nanontany tena hoe : tsara vintana ve izy sa ratsy vintana ? Raha tsara vintana , nahoana no sendra ny loza foana ? Raha ratsy vintana, nahoana no afaka foana ?

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...