Manako manodidina ny hafanan'ny korana. Ravoravo izany ny olona rehetra. Midika izany fa tonga ny fotoam-pankalazana ny fanambadian'i Kalamina. Mangingina sy toa manjoninjonitra kosa ny efitranokelin-dry Rojofotsy mivady.

Tsy ry Kalamina sy ireo mpomba azy ihany no sahiran-tsaina mafy, fa na i raibe sy renibeny aza tezitra tamin'ireo mpiara-monina taminy, ka nahavita nikafarafara tamin'izy ireny mihitsy aza.

Vaky loha sy tsy tafapetraka ry Kalamina sy ny mpanoro hevitra azy. Nizotra tsara tsy nisy nivaona tamin'izay nieritreretana azy ny tetika hatreto, fa ny famaranana azy no toa hanahirankirana.

Seriny dia seriny i Raje nanao resaka mampandry adrisa tamin'i Kalamina. Nanao izay fara fahaizany nandresy lahatra nanehoana ny fitiavany sy ny toky ary ny fampanantenana tamin'i Kalamina.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...