Noho ny tahotra ny hotsaboina any an-trano no naha tapa-kevitra an'i Dera tsy hody. Nametraka fierana tany amin'ny toera-piasany izy fa hoe reradreraka ka haka rivotra any ambanivohitra mandritra ny herinandro. Saingy izay rehetra nataony nandritra izany fotoana izany nefa, saika nahitany loza avokoa.

Tsy afaka niangona i Dera rehefa reraky ny fiaretan-tory tamin'ny fiandrasana ny fatin'ny rain'ny mpiara-miasa aminy sy ny divay nosotroiny, ka namorona aretina tsy fidiny. Famoronana aretina izay niafara tamin'ny zavatra tsy mbola fahitany hatramin'izay nahitany masoandro. Nakan'i Vola mpitsabo ho ao an-trano izy, ary efa nakany fotoana tamin'ny mpitsabo nify ihany koa ny ampitso maraina.

Vita ny fanamasinana ny fanambadian'i Dera sy i Vola. Samy nahazo andro tsy fiasana herinandro izy ireo ka tany Ambatomainty no nandaniana izany. Herin-taona sy tapany taorian'ny nivadian'izy ireo dia niteraka lahy kely ry zareo. Nanomboka teo ny andram-piainana tsy mbola natao mihitsy izay niteraka angano.

Tafapetraka tamin'ny toerana ho mpanampy ny lehiben-taokaonty i Dera rehefa nahazo ny filazam-pahaizana rehetra nataony. Faly sy niarahaba azy noho izany i rainy, fa reniny kosa ny hampody azy any an-tanàna amin'izay no noventiventesiny satria vita hono ny natao, ary ny an'i Vola : fanambadiana avy hatrany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...