Nampiakarina tany Antananarivo i Dera mba hiasa sy hianatra. Roa taona niainana tao anatin'ny tsy fisian'ny fotoana na dia ny hihinanan-kanina aza vokatr'izany. Tetsy an-daniny tsy nitsahatra ny fanampian'i Vola an'i Dera tamin'izay fianarana natao rehetra. Nisy vokany tsara tokoa izany : tsy loha-laharana fotsiny i Dera fa mba tsara toerana hatrany.

Fialan-tsasatra tapa-bolana no anton-dian-dry Vola sy ny ray aman-dreniny tao Ambatomainty, saingy fotoana nahavitan'ny fianakavian-dry Vola sy ny fianakavian-dry Dera ny làlana nosoritan'ireto ray aman-dreny roa tonta tsy maintsy hodiavin'i Dera sy i Vola, na dia zavatra hafa aza no nanaitra an'i Dera tamin'i Vola teny am-piandohana, ary zavatra hafa indray taty aoriana.

Rava tamin-kafaliana hafahafa ilay fanambadiana makotrokotroka nahavory vahoaka maro. Nipoitra tamin'ny fotoana tsy noerotreretina ny marina : zanak'i Rojofotsy i Kalamina.

Zanaka mpivarotra enta-majinika tao amin'ny tanàna antsoina hoe : Ambatomainty i Dera. Sendra nividy zavatra tao aminy i Vola indray andro no toy ny nilatsaham-baratra izy nahita ity zazavavy niditra ny tsena. Teo no nanomboka ny tantaran'i Dera sy Vola.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...