Tankina i Rasera, hany mba mpifanerasera amin'i Kalamina eo an-tanàna raha nilazany hoe : "hanambady hono aho !". Nankahery azy sy vonona hanampy azy handà izany hatramin'ny farany izy.

Nikorontana ambony ambany ny sain'ity zazavavy manoloana ity tery vay manta mihatra aminy. Safidy tsy maintsy ijoroana na ho inona na ho inona. Ho aiza nefa ? Hiroso : maty raibe, hihemotra : maty renibe.

Niandry ny valin-tenin-drazazavavy ny mpianakavy : mbola tsy vonona izy noho ny fianarany. Nataon-draibeny sy renibeny sesi-dohalika ity zafikeliny, noho ny fahantrana ve ? Noho ny fitsimbinana ny hoaviny ?

Tonga tao amin'i dadan'i Zara sy maman'i Zara i Ratiana sy Rasivy, mba hangata-bady an'i Kalamina : zazavavy taizan-draibe sy renibe, mbola somondrara hitehina ny hatanorany, vao hanitsaka ny roa ambinifolo ranonorany : voatavao tsy mifandraka.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...