Ankalazaina isaky ny 12 desambra ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe. Nitarika ny Eokaristia Masina ho fanamarihana izany tao Vatican, omaly, i Papa François izay Papa latino-amerikanina voalohany.
Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.
Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.
Notendren'i Papa François ho préfet-n'ny kongregasiona misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly, ny alahady 8 desambra teo, ny Kardinaly Luis Antonio Tagle.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco