Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.

Namerina indray ny fanentanana ny rehetra handalina ka hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Sakramentan'ny Batemy i Papa François.

Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.

Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...