Namerina indray ny fanentanana ny rehetra handalina ka hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Sakramentan'ny Batemy i Papa François.

Andro vitsy mialoha ny 12 janoary, hanamarihana ny fahatsiarovana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa dia nanamafy izay fanentanana izay indray ny Papa. Zahao, hoy izy, ny fahasoavana azo avy amin'io Sakramenta io ary aoka hahay hitondra izany amin'ny fiainana andavan'andro ny tsirairay. Isan'ny navoitrany tamin'ny fampianarana nandritra ny Audience Générale tao amin'ny efitrano Paoly faha-6 ao Vatican, ny alarobia 8 janoary teo, izany. Tokony ho tadidy, tahaka ny hahatsiarovana hatrany ny daty nahaterahana, hoy ny Papa, ny daty nandraisana ny Sakramentan'ny Batemy ka tsy ho hadinoina. Tokony ho tsaroana mandrakariva ka hisaorana an'Andriamanitra amin'ny fahasoavana entin'izany Batemy izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...