Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.

Nangata-bavaka tamin'ireo rehetra nanatrika ny fotoana izy ho fanohanana ireo vahoaka misedra olana vokatry ny afo ireo. Tsiahivina fa efa tany amin'ny volana septambra lasa teo no niandohan'izao doro tanety sy ny doro ala any Australie izao ary mbola sarotra fehezina izany ankehitriny. Efa mahatratra hatrany amin'ny 8 tapitrisa hekitara ny velaran-tany may hatramin'izao. Miisa 26 kosa ireo olona namoy ny ainy ary maherin'ny 2 arivo ireo trano simba sy may. Ankoatra ireo dia isan'ny tena lasibatra ihany koa ireo karazan-javamaniry sy biby samy hafa miaina anaty ala, indrindra ireo isan'ny mampiavaka an'i Australie, toa ny kangourou sy ny koala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...