Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.

Ho aminareo anie, hoy ny Papa, ny fahazavana sy ny fiadanana entin'i Kristy Mpamonjy. Tsiahivina fa ny tetiandro "julien" no arahin'ireo eglizy tatsinanana, ahitana ny orthodoxe, ka nahatonga izay tsy fitoviana amin'ny tetiandro gregoriana arahintsika amin'izay fankalazana ny fetin'ny Noely izay. Notsiahivin'i Papa François tamin'io omaly io koa ny andro maneran-tany ho an'ny ankizy misionera izay marihina isaky ny andron'ny Epifania. Fetin'ny ankizy sy ny tanora misionera miaina ny antso ho amin'ny fahamasinana amin'ny fanampiana ny namana amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fihetsika ary ny fifampizarana, hoy hatrany ny Papa. Nirary fety sambatra ho an'ny rehetra izy ary nanentana ny rehetra mba hivavaka ho azy hatrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...