Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.

Fampirantiana izay karakarain'ny filankevitra paontifikaly misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly sy ny masoivohon'i Hongrie eo anivon'ny Fiketrahana Masina. Nampitondraina ny anarana hoe: "Tranonomby zato" io fampirantiana io na dia miisa 130 avy amina firenena 30 aza ireo Tranonomby aseho ao. Nitsidika io fampirantiana io ny Papa ho fanehoany ny maha zava-dehibe ny fanarahina sy ny fanohizana ny fanaovana azy ara-pinoana; indrindra taorian'ilay nanaovany sonia ny taratasy apôstôlika tao Greccio, tamin'ny voalohan'ny volana desambra teo. Niarahaba sy nankasitraka tsirairay an'ireo mpampiranty sy ny fianakaviany avy i Papa François, nandritra io fitsidihana nataony io. Narahin'ny fitsiofandrano ny rehetra izany avy eo. Nosokafana tamin'ny 7 desambra teo moa, tsiahivina, ity fampirantiana momba ny Tranonomby ity ary tsy hifarana izany raha tsy ny 12 janoary 2020.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...