Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.

Fampirantiana izay karakarain'ny filankevitra paontifikaly misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly sy ny masoivohon'i Hongrie eo anivon'ny Fiketrahana Masina. Nampitondraina ny anarana hoe: "Tranonomby zato" io fampirantiana io na dia miisa 130 avy amina firenena 30 aza ireo Tranonomby aseho ao. Nitsidika io fampirantiana io ny Papa ho fanehoany ny maha zava-dehibe ny fanarahina sy ny fanohizana ny fanaovana azy ara-pinoana; indrindra taorian'ilay nanaovany sonia ny taratasy apôstôlika tao Greccio, tamin'ny voalohan'ny volana desambra teo. Niarahaba sy nankasitraka tsirairay an'ireo mpampiranty sy ny fianakaviany avy i Papa François, nandritra io fitsidihana nataony io. Narahin'ny fitsiofandrano ny rehetra izany avy eo. Nosokafana tamin'ny 7 desambra teo moa, tsiahivina, ity fampirantiana momba ny Tranonomby ity ary tsy hifarana izany raha tsy ny 12 janoary 2020.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...