Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.

Fanirian'ny vahoaka Slovaque, hoy ity praiminisitra ity, ny mba hamangian'i Papa azy ireo. Voafaritra ho fahefatr'adiny ihany moa io fihaonana teo amin'ny roa tonta io teny am-piandohana saingy niitatra ho 40 minitra izany avy eo. Isan'ny voaresaka nandritra izany ny momba ny toe-draharaha any Eraopa ankehitriny, indrindra ny ao UKraine izay anton'ilay fihaonana an-tampony eo amin'ny filoha rosiana sy iokreniana, miaraka amin'ny filoha frantsay sy ny chancelière allemande, notanterahina tany Paris renivohitra frantstay, omaly alatsinainy. Fihaonana izay nangatahan'i Papa François vavaka nandritra ny Angélus tamin'ny alahady 8 desambra teo. Voaresaka tamin'io fihaonana teo amin'i Papa sy ny praiminisittra slovaque io koa ny sehatry ny fanabeazana, ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fifindramonina. Nofaranana tamin'ny fifanolorana fanomezana ho fahatsiarovana io fihaonana teo amin'ny roa tonta io. Taorian'izay moa dia mbola nihaona tamin'i Kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakana ao VAtican sy Monseigneur Paul Gallagher, sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa andriamatoa Peter Pellegrini.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...