Notendren'i Papa François ho préfet-n'ny kongregasiona misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly, ny alahady 8 desambra teo, ny Kardinaly Luis Antonio Tagle.

Izy indray izany no mandimby ny Kardinaly Fernando Filoni izay voatendry ho lehiben'ny "Ordre  équestre du Saint-Sépulcre"-n'i Jerosalema. 62 taona ankehitriny ny Kardinaly Tagle ary Arsevekan'i Manille izy mialoha izao nanendrena azy izao. Nianatra tao amin'ny sekoly Saint-Andew (Paranaque) fony fahakeliny izy ary nanohy ny fianarana momba ny filôzôfia tao amin'ny semineran'i Saint-José any Manille sy ny teôlôjia tao amin'ny oniversiten'i Manille ihany. Nanohy ny fianarana  momba ny teôlôjia tao amin'ny "Catholic University of America" ny taona 1987 hatramin'ny 1991izay nahazoany ny "doctorat" amin'ny teôlôjia. Namasinina ho pretra ho an'ny arsidiosezin'i Manille tamin'ny 27 febroary 1982 ka nitàna andraikitra maro teo anivon'ny fiangonana nanomboka teo. Isan'izany ny naha-vikera azy tao amin'ny paroasy Saint-Augustin ny taona 1982-1983. Nanohy fianarana tany Rome ny taona 1985-1992 ary lasa vikera episkôpalin'ny relijiozy teo anelanelan'ny taona 1993 sy 1995. Lasa pretra tompom-paritany tao amin'ny Katedralin'Imus ny taona 1998-2001. Voahosotra ho eveka tamin'ny 12 desambra 2001 ary notendren'i Papa émérite Benoît faha-16 ho arsevekan'i Manille tamin'ny 13 oktobra 2011. Lasa Kardinaly tamin'ny 24 novambra 2012.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...