Ankalazaina isaky ny 12 desambra ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe. Nitarika ny Eokaristia Masina ho fanamarihana izany tao Vatican, omaly, i Papa François izay Papa latino-amerikanina voalohany.

Lasa toa ny fetim-pianakaviana ho an'ny ankohonampiainana latino-amerikanina ao Rome any Italie io fotoana niarahana tamin'i Papa François, nanamarika ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe omaly io. Navoitran'i Papa tamin'ny fampianarany nandrittra ny toriteniny ny maha-Reny an'i Masina Maria. Toriteny fohy sy tsy nomanina, nataony tamin'ny fiteny espagnole mba hahazoan'ireo latino-amerikanina ny fampianarana, tsy nilàna mpandikateny. Renintsika sy Renin'izao tontolo izao i Masina Maria, hoy izy. Ara-tantara, niseho tany Mexique tamin'ny taona 1531 i Masina Maria. Fisehoana izay nitarika sy nahatonga ny fanajan'ny kaontinanta amerikanina azy ka nametrahany azy ho mpiaro azy hatramin'izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...