♦ Andrasana ny anaran'ny praiministra vaovao faharoa ao anatin'izao fitondrana fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara izao, taorian'ny fampitsaharana tamin'ny asany ny praiministra teo aloha Rajaonarivelo Herintsalamana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana avy amin'ny Filan-kevi-panjakana mandidy ny hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra sy nanafoanana ny vato azon'ny ben'ny tanàna am-perinasa... ♦ Velon-taraina ny tantsaha mpamboly "orge" any amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony sy Amoron'i Mania noho ny fihenan'ny fidiram-bolan'izy ireo amin'ny alalan'ny famokarana amin'ity taona 2026 ity...

♦ Natsahatra amin'ny asany ny governemanta tarihin'ny praiministra Rajaonarivelo Herintsalama. Hiroso tsy ho ela ny fanendrena praiministra vaovao... ♦ Nivoaka androany ny didim-pitsarana avy amin'io Filan-kevi-panjakàna io mandidy ny hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Velon-taraina ny tantsaha mpamboly "orge" any amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony sy Amoron'i Mania... ♦ Nampahafantarina ôfisialy, androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, any Monaco...

♦ Isany sakana tsy nahafahana nampandroso ny firenena Malagasy tamin'ireo fitondrana nifandimby teo aloha ny fisian'ny kolikoly hoy ny fikambanana A.E.M GP... ♦ Handray anjara amin'ireo dingana rehetra hirosoana amin'ny fifidianana eto Madagasikara ny antoko vaovao (RPMU) Fifohazan'ny Tia Tanindrazana Tafaray... ♦ Mangataka ny afahan'ny vehivavy mpiasa eto Madagasikara mitsahatra amin'ny asa, saingy misitraka fisotron-dronono feno eo amin'ny faha-55 taonany ny sendika FISEMARE... ♦ Manahy ny hiitaran'ny ady misy any amin'ny faritra Moyen-orient ny Papa Léon XIV...

♦ Nakotroka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy omaly teny Anosy, nitarika izany ny vadin'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hanomboka ny fanarenana ny tanànan'i Toamasina, raha ny vonjy voina maika no natao tao anatin'izay iray volana izay, hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika tany Toamasina ny sabotsy teo... ♦ Miha-mitombo ny herisetra ara-nofo mianjady amin'ny vehivavy mpiasa eny amin'ny toeram-piasàna eto Madagasikara hoy ny FISEMARE... ♦ Nafana ny fifandonana, teo amin'ny Hezbolah sy ny commando an'ny tafika Israeliana tany Nabi Chit, alina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...