♦ Nosokafana omaly ny 8km vita amin'ny lalam-be migodàna mankany Toamasina. Nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny mpamatsy vola ny fanohizana ny fanamboarana hoy ny filoham-pirenena omaly... ♦ Misy ny fivoriamben'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny SADC, eto Antananarivo, taorian'ny fihaonana an-tampon'ity vondrona ity, ny alahady teo. Mpikamban'ny firaisamonim-pirenena maro aty atsimon'i Afrika no mandray anjara amin'izany... ♦ Efa kely amin'izao ny tahirin-drano any amin'ny farihin'ny Tsiazompaniry, hanondrahana ny lemak'Antananarivo. Tokony ho ampy hiomanana amin'ny fotoam-pambolena anefa izany, hoy ny APIPA...

• Notokanana androany ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasinana, mirefy 8 kilometatra. Hihena ny fotoana hanaovana ny halaviran-dalana rehefa vita tanteraka ny fotodrafitrasa hoy ny Filoham-pirenena androany... • Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny dimy andro ny fihaonambe na ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC. Fihaonana mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 natao teto amintsika... • Nanomboka androany ary hitohy rahampitso ny fiofanana ho an'ny mpikatroka ao amin'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Fiofanana atao eny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano...

♦ Handresy lahatra ny Amerikana amin'ny fandaharan'asan'ny AGOA ny filoha Malagasy, izay nanomboka nandray ny fitantanana ny SADC omaly. Nanazava izay ny filoham-pirenena omaly... ♦ Tsy maintsy hitohy sy hivoatra amin'izay ny raharaha Boeing 777, taorian'ny fihaonana an-tampon'ny SADC iny-, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... ♦ Nahazo "homologation" amin'ny ampahany ny Kianjan'i Mahamasina. Nilaza ny filohan'ny Federasiônafa efa tonga ny milina hikojakojàna ny kianjan'i Mahamasina, ka hisy ny resaka manokana hatao amin'ny CAF, ahazoantsika fankatoavana feno... ♦ Hihaona any Washington anio ny filoha amerikàna sy Okraniana momba an'i Ukraine...

♦ Natao ny faran'ny herinandro teo teny Antanimena ny Jôbily nasiônaly ho an'ny olomboatokana eto Madagasikara... ♦ I Madagasikara manomboka izao no mitantana ny SADC. Nandray ny fitantanana izany tamin'ny fomba ôfisialy ny filoha Malagasy, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-45 tetsy amin'ny CCI Ivato, omaly... ♦ Nodimandry tampoka ny Ben'ny tanànan'i Talatan'i Volonondry. Miahiahy famonoana olona amin'izao raharaha izao ihany koa ireo Olomboafidy eo anivon'ny antoko TIM, ka hitondra ny raharaha eo amin'ny Fitsaràna... ♦ Nivory maika tamin'ny alalan'ny visio-conference ireo mpitondra firenena tandrefana, manoloana ny raharaha any Ukraine...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...