♦ Manaiky ny didy navokan'ny filan-kevim-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa... ♦ Tsy anatin'ny fahefan'ny solombavambahoaka amin'izao ny manolotra anaran'izay ho praiministra, mbola ny IRMAR mantsy no manana ny maro an'isa eo anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny filohan'ny antoko FIVOI... ♦ Natomboka omaly zoma 13 marsa ny vava asa, fandrodanana ny kianja masoandro (Colisée) anatin'ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Maratra mafy ny tavan'ilay "guide supreme" vaovao ao Iran Mojtaba Khamenei, raha ny fanambarana nataon'i Pentagon omaly zoma...
♦ Mankatoa ny didy navoakan'ny filan-kevi-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety, teny amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely, androany... ♦ Manao antso avo ho amin'ny tetezamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava tsara ireo firaisamonim-pirenena nanao fanambarana teny Ambatonakanga, androany... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 ho an'ny Oniversite natao tao Itasy, tonga nanome voninahitra izany ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara...
♦ Nanao antso mba hanomezan-danja ny fokonolona ny sehatra famerenan-kasina ny fokonolona ivondronan’ireo kristiana sy olobe, firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa, hisy ny hetsika hotanterahin’izy ireo manoloana izany… ♦ Notolorana fanafody ho fanamafisana ny fisorohana ny valan’aretina MPox ny Fonjan’i Farafangàna… ♦ Misy ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Profesora Panja Ramanoelina, filoha teo aloha teo an’ivon’ny oniversite an’Antananarivo., hiresahany manokana momba ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra ankehitriny...
♦ Niverina indray ny fametraham-pialana teny amin’ny CENI Alarobia, 6 taona aty aoriana. Handrasana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny birao maharitry ny CENI… ♦ Handrasana anio maraina ny fanehoan-kevitra voalohany hentin-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, taorian’ny didim-pitsaràna izay nanafoanana ny vato azony sy mandidy ny hamerenana ny fifidianana ao Antananarivo-renivohitra… ♦ Milaza ho leo ny fahataran’ny karama eo ihany koa ny fandoavana ny vola CNaPs sy OSTIE ireo mpiasan’ny SMA ka mitaky ny handravana ny orinasa… ♦ Sarotra ny hisian’ny fitoniana amin’ny ady any Moyen-Orient, nisongadina tamin’ny hafatra voalohany nataon’ny mpitari-dalàna faratampony any Iran ny fanidiana ny elidrano afahana mamoaka solika...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco