• Atao mangarahara ny fomba fiasa sy ny fomba hitantanana ny hevitry ny vahoaka eny ifotony, mandritra ny fikaonandoham-pirenena karakarain'ny FFKM. Ny volana marsa 2027 no hanaovana ny dinika eo amin'ny sehatra nasionaly... • Miroso amin'ny fanadiovana ny tontolon'ny haino aman-jery manerana ny Faritra 24, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Nanombohana ny fidinana ifotony ny tany amin'ny Faritra Itasy... • Mahatonga ny tsy fananana asan'ny tanora sy nampahantra ny firenena ny tsy nanaovana ho laharam-pahamehana ny sehatry ny fampianarana teknika hatramin'izay, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Araka Asa...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...