• Hanatanteraka varavarana misokatra ny zoma sy ny sabotsy izao ny CNTEMAD. Hampahafantarina mandritra izany ny fiovan'ity foibe fampianarana ampitain-davitra ity ho oniversitem-panjakana an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika. Tontosa androany koa ny sonia fiaraha-miasa eo amin'ny CNTEMAD sy ny Radio Don Bosco... • Miantso ireo fikambanana misy ny tanora Gen Z mijoro ara-dalana ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, hifampidinika amin'ny zoma maraina ho avy izao... • Atao anaty fanarahan-dalana avokoa ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina na tsy misy intsony aza ireo Mpanolotsain'ny Tanana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra...

♦ Nandray ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo nanomboka androany antoandro ny PDS Feno Ralambomanana. Fanamby maro no nambarany fa hapetraka amin'ny fitantanana... ♦ Kasaina ho hampiakarina 20% ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Mbola dinihina anefa ny lafiny ara-teknikan'izany fampiakarana izany amin'izao... ♦ Ho tapaka vonjimaika ny Lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina anio antoandro, noho ny asa fikojakojàna ny lalana. Nandefa fampitam-baovao momba izany ny ministeran'ny asa vaventy...

♦ Hotanterahina anio ny famindram-pahefana eo amin'ny PDS sy ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo mpisolo toerana.... ♦ Miantso fifampiresahana haingana manoloana ny raharaham-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa. Mitodika amin'ny fitondràna tsy hanakatsakana ny fahafaha-maneho hevitra ity Ministra teo aloha ity... ♦ Fadiranovana ny mpiasam-panjakàna eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny sendikan'ny Dokotera mpiasam-panjakàna eto Madagasikara. Tsy mbola ampy hisahanana ny filàna andavan'andro intsony ny karaman'izy ireo...

• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...