• Tsy Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro intsony, Andriamatoa Valéry Ramonjavelo, araka ny didim-panjakana nosoniavin'ny Filohan'ny Repoblika androany. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no hisahana vonjimaika ny andraikitra, mandram-panendrena Minisitra vaovao... • Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny “Herinandron'ny fampiroboroboana ny Indostria”. Hetsika ara-toekarena hatramin'ny voalohan'ny volana aogositra izao. Nanokatra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... • Nosoniavina androany ny fifanarama-piaraha-miasa eo amin'ny samy kaominina manamorona ny Lalam-pirenena faha-3, manomboka eo Ambohitrabiby hatrany Anjozorobe, hiatrika ny fiovan'ny toetr'andro...
♦ Hisy ny filan-kevitry ny ministra manokana anio, manoloana ny raharaha Aviation Civile de Madagascar. Andrasana raha hisy ihany koa fanalàna tompon'andraikitra amin'ity raharaha ity... ♦ Nampanantsoin'ny Ministry ny raharaham-bahiny ny masoivohon'ny vondrona erôpeana. Fampiantsoana voalaza fa noho ny fanehoan-kevitry ity diplômaty vahiny ity... ♦ Tafiditra anatin'ireo firenena miaina amin'ny karama farany ambany kely indrindra aty Afrika i Madagasikara. Tsy diso kajy raha mitaky 10 dôlara isan'olona isan'andro ny Randrana sendikaly, hoy ingahy Barson Rakotomanga... ♦ Natomboka omaly any New York ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Gaza...
♦ Resa-be eto amin'ny firenena indray ny raharaha fiaramanidina mitondra laharana malagasy lasa any Iran. Namory mpanao gazety momba ity raharaha ity ny Ministry ny fitanterana, omaly... ♦ Nihazo an'i Tanzania ny delegasiôn'ny Barea Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny CHAN 2025. Nahagaga ny tsy nisian'ny fampahafantarana ny lisitr'ireo mpilalao avy amin'ny Federasiôna... ♦ Noesorina amin'ny toerany sy nalàna tsy ho mpanolontsaina ny filohan'ny filan-kevitry ny tanàna any amin'ny Kaominina Morondava. Namoaka didy momba izany ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritany Toliara...
♦ Taorian'ny fety nitera-doza teny Ambohimalaza, nahazo laka indray ny momba ireo fiaramanidina mitondra ny laharam-pamantarana malagasy izay tonga any Iran ankehitriny... ♦ Tsy misy faradoboka be toy ny fanaon'ireo mpiadina bakalôrea ankapobeny ny fiatrehan'ny mpiadina bakalôrea teknika ny taranja atrehiny nanomboka androany... ♦ Nodidin'ny Fitsaràna misahana amin'ny ady amin'ny Fanjakàna any Toliara ny fanesorana ny filohan'ny mpanolontsaina ao amin'ny kaominina ambanivohitra Morondava ary eo koa ny hanesorana azy tsy ho mpanolontsaina... ♦ Nilaza ho diso fanantenana amin'i Russie ny filoha amerikana, manoloana ny ezaka fampitsaharana ady any Ukraine...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco