♦ Misy ny akon'ny fivoriam-be voalohany fanao isan-taona ho an'ny FFVA eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Nanainga androany nihazo an'i Frantsa ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Natomboka androany tao amin'ny kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo ny hetsika fizarana karatany faobe... ♦ Hitohy any Geneve, amin'ny alakamisy ho avy izao indray, ny fihaonana hifanakalozan-kevitra momba ny raharaha nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran...

♦ Mila fahamailona ny fanovàna ny endriky ny diplômasian'i Madagasikara amin'izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny. Nambaran'ity mpanao pôlitika ity fa ifandrombahan'ireo firenena matanjaka hakàna tombontsoa isika... ♦ Hisy ny fivarotan'ny Fanjakàna finday sy solosaina amin'ny vidiny mirary. Finday maherin'ny 600.000 no hamidy hanombohana izany ka hanaovana andrana ny Oniversite Antananarivo sy ny any Fianarantsoa... ♦ Namaly  ireo Gen-Z ao anatin'ny Fiteva nanao fanambaràn teny Tsiadana ny filoha Nasiônalin'ny Fikambanana. Nambarany fa kajikajy politika sy fikatsahana tombontsoa manokana no ataon'izy ireo...

♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...

Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...