♦ Notokanana sy notsofon-drano, androany, ny clinique Medicale Flamboyant sy ny Lycée katolika vao nahorina ao Mampikony, Diôsezin'i Port Berger. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa no nanehoana izany... ♦ Maro ny olana momba ny fitanterana tsy voavaha ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Tokony foanana ny kôperativa mpitatitra fa orinasa matihanina no mpanao ny asa hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Tsy mijery fotsiny ireo toerana ahitàna fiarabe manao fanotofana tany ao Antananarivo sy ny manodidina ny tompon'andraikitra mbola mihatra ny fampiharana ny didy...
♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny fanjakàna rosianina hanarenana ny fahasimbana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fitia sy Gezani tamin'ity taona ity i Madagasikara. Nandray izay tety Ivato omaly ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana Volibe na ny Bambou eto Madagasikara ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetik'asa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe... ♦ Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsaràna ny drafi-panajariana an-tanan-dehibe manerana an'i Madagasikara ny MInistera tompon'andraikitra...
• Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana volibe na bambou eto Madagasikara, ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetikasa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe. Mamatsy vola ny tetikasa ry zareo Sinoa... • Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsarana ny drafi-panajariana an-tanandehibe manerana an'i Madagasikara, ny minisitera tompon'andraikitra. Fihaona hotanterahana ny 11 sy ny 12 jona 2026, eny amin'ny tanana Voara Andohatapenaka... • Miditra amin'ny andiany faha-8 ny Rallye Jovena ankehitriny. Hotanterahana ny 19 hatramin'ny 21 jona 2026 eny Amoronakona. Mampiavaka ity andiany ity ny fiverenan'ny orinasa Jovena hanohana ny hetsika rehefa nisy fiatoana kely izany teo aloha...
• Hifanaraka amin'i Nigeria momba ny famatsiana solika ny firenena malagasy, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanao tatitra fohy ny diany tatsy Afrika izy, teo am-pahatongavana androany maraina... • Tsy tokony ho sanatria hatao kisarisary fotsiny ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko Ilo Mada. Nambaran'ny filohany fa maro ireo ankolafin-kery miandrandra izany ho tena fanangonan-kevitra miainga avy any ifotony... • Mitaintaina amin'ny ainy ihany koa, ireo olona sasany manana toe-tena varira aty afovoan-tany. Nijoro ho vavolombelona amin'izany ny lehilahy iray avy any amin'ny Distrikan'Antsirabe Faharoa...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco