♦ Tontosa androany maraina tao Vatican ny fandevenana ny Papa Emérite Benoît XVI. Nipetraka ho tantara satria tsy mateti-pitranga ny fisian'ny Papa iray mandevina ny Papa izay nodimbiasany toy ny nisy androany... ♦ Manoso-kevitra ny hanatsaràna ny lalàm-pifidianana amin'ny alalan'ny fakan-kevitra isam-paritra ny KMF/Cnoe. Kendrena hatolotra holanian'ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'ny volana mey ny volavolan-dalàna voaravona amin'izany... ♦ Efa tena mafy ny teritery matoa nametram-pialàna ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM. Nambarany fa tsy te ho tratra farany amin'ny fakam-bola tsy mety eo anivon'ny BFM Andriamatoa Henri Rabarijohn...
♦ Tontosa omaly teny amin'ny Ekar Antanimena ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI. Niavaka tamin'ny fananany finoana, fanantenana ary fitiavana i Papa Emérite BenoîtXVI, ary teôlôjianina lehibe hoy ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, nandritry ny Sorona Masina omaly... ♦ Neken'ny filan-kevitry ny ministra ny fametraham-pialan'ny governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Efa voatendry ny handimby azy... ♦ Hotanterahana anio any Vatican ny Sorona Masina ho tarihin'ny Papa François, hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI sy hanaovam-beloma azy farany, aorian'izay ny fandevenana...
♦ Tontosa androany ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite BenoîtXVI nodimandry ny sabotsy 31 desambra 2022 teo. Nitarika ny Sorona Masina ny Nonce Apostolique MGR Thomasz Grysa... ♦ Naverina eny amin'ny Fonjan'Antanimora i Mahery Lanto Manandafy (Malama). Nampanantsoina teny amin'ny brigadin'ny zandary eny Fiadanana indray izy androany... ♦ Miantso ny mponina eny amin'ny faritra avo misy ny Rovan'i Manjakamiadana mba hiala amin'izany faritra izany ny sampana mpamonjy voina noho ireo ambana mety hisian'ny fihotsahan'ny tany...
♦ Nisolo-tena ny fitondram-panjakàna Malagasy, ,nampita ny teny fampiononana sy ny fiaraha-miory amin'ny Eglizy katôlika Romana, tamin'ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, omaly, ny jeneraly Rakotoniriana Richard, Ministry ny Raharaham-Bahiny mpisolo toerana, noho ny fahalasanan'ny Papa teo aloha Benoît XVI... ♦ Anio tolak'andro no hiarahaba sy hirary soa ny Filohan'ny Repoblika eny Iavoloha, ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta, tarihin'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Heverina fa ho eo anelanelan'ny 19 novambra hatramin'ny 19 desambra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity hoy ny teo anivon'ny CENI...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco